Bokin'ny Levitikosy 5:4
na misy mianiana ka miteniteny foana amin’ ny molotra hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin’ ny olona foana ka asiany fianianana, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany, ka meloka amin’ ny anankiray amin’ ireo izy:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5koa raha meloka amin’ ny anankiray amin’ ireo izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany,
Read all of Bokin'ny Levitikosy 5
Cross References
Leviticus 27:2Mltenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona hanala voady, dia ho an’ i Jehovah izy araka izay hataonao tombany.
Numbers 30:8ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.
Joshua 9:15Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan’ ny fiangonana koa dia nianiana taminy.
Judges 11:31dia ho an’ i Jehovah Izay mivoaka amin’ ny varavaran’ ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ ny taranak’ i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany.
Judges 21:18Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an’ ny Benjamita.
1 Samuel 14:24Ary ory ny lehilahy amin’ ny Isiraely tamin’ izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza.