Bokin'ny Levitikosy 6:19
ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin’ izay fitoerana masìna no hihinanany azy, dia eo amin’ ny kianjan’ ny trano-lay fihaonana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the LORD spake unto Moses, saying,
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 6
Cross References
Leviticus 6:9Ary izay sisa amin’ ireny dia hohanin’ i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin’ izay fitoerana masìna anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin’ ny kianjan’ ny trano-lay fihaonana.
Numbers 18:9Izao no ho anao amin’ ny zavatra masìna indrindra, avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masìna indrindra ho anao sy ny taranakao izany.
Ezekiel 42:13Dia hoy izy tamiko; Ny efi-trano avaratra sy ny efi-trano atsimo, izay eo anoloan’ ny kianja voatokana, dia efi-trano masìna, hihinanan’ ny mpisorona izay manatona an’ i Jehovah ny zavatra masìna indrindra; any no hametrahany izay zavatra masìna indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana: fa masìna io fitoerana io.