Bokin'ny Levitikosy 6:3
Any hiakanjoan’ ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin’ ny fanatitra dorana izay nolevonin’ ny afo teo ambonin’ ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ ny alitara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 6
Cross References
Exodus 22:9Raha misy olona mampitahiry ny namany boriky, na omby, na ondry, na osy, na biby fiompy hafa, ka maty izany, na maratra, na roahina ka tsy misy mahita,
Exodus 28:42Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin’ ny valahany ka hatramin’ ny feny no hisy azy.
Leviticus 16:4Akanjo lava masìna rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masìna ireo, ka handro amin’ ny rano izy vao hiakanjo azy.
Deuteronomy 22:1Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin’ ny rahalahinao, dia aza atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any amin’ ny rahalahinao mihitsy izany.
Jeremiah 5:2Ary na dia misy aza manao hoe: Raha velona koa Jehovah, dia entiny mianian-tsy tò izany.
Ezekiel 44:19Ary raha mivoaka ho any amin’ ny kianja ivelany hankany amin’ ny olona izy, dia hesoriny ilay fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin’ ny efi-trano masìna, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin’ ireny fitafiany ireny.