Bokin'ny Levitikosy 7:12
Raha misy manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin’ ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanati-pihavanana izay haterina ho an’ i Jehovah:
Read all of Bokin'ny Levitikosy 7
Cross References
Leviticus 2:5Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin’ ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
Leviticus 7:15Ary ny henan’ ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina.
Numbers 6:15ary mofo tsy misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin’ ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.
2 Chronicles 33:16Ary nanorina indray ny alitaran’ i Jehovah izy ka namono zavatra hatao fanati-pihavanana sy fanati-pisaorana teo amboniny, dia nandidy ny Joda hanompo an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
Psalms 50:13Hihinana ny nofon’ ombilahy va Aho, na hisotro ny ran’ osilahy?
Psalms 103:1Nataon’ i Davida. Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masìna.