Bokin'ny Levitikosy 7:32
Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin’ ny fanati-pihavananareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 7
Cross References
Leviticus 7:34Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin’ ny Zanak’ Isiraely avy amin’ ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an’ i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany mandrakizay avy amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Leviticus 9:21fa ny tratrany sy ny sorony ankavanana kosa dia nahevahevan’ i Arona ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah, araka izay nandidian’ i Mosesy.
Numbers 6:20Dia hahevahevan’ ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; ho masìna izany ho an’ ny mpisorona ho fanampin’ ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.
Deuteronomy 18:3Ary izao no ho anjaran’ ny mpisorona avy amin’ ny olona, dia avy amin’ izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: dia homeny ho an’ ny mpisorona ny sorony sy ny takolany roa ary ny vavoniny;
1 Corinthians 9:13Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin’ ny zavatra masìna dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin’ ny alitara dia miombona amin’ ny alitara?