The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Levitikosy › Bokin'ny Levitikosy 8 › Bokin'ny Levitikosy 8:23

Bokin'ny Levitikosy 8:23

Dia novonoiny iny; ary nangalan’ i Mosesy ny rà ka, natentiny teo amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofin’ i Arona ankavanana sy tamin’ ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin’ ny ankihiben-tongony ankavanana.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And he slew it; and Moses took of the blood of it, and put it upon the tip of Aaron’s right ear, and upon the thumb of his right hand, and upon the great toe of his right foot.

In Context

22Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny tànany tamin’ ny lohan’ ny ondrilahy.

24Ary nentiny nanatona koa ny zanak’ i Arona, ka notentenan’ i Mosesy ny rà ny tendron’ ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin’ i Mosesy manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara.

Read all of Bokin'ny Levitikosy 8

Cross References

Exodus 29:20dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ i Arona sy amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ny zanany, ary amin’ ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin’ ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara

Leviticus 14:17ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan’ ny mpisorona ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin’ ilay nasiana ny ran’ ny fanati-panonerana;

Leviticus 14:28dia hotentenan’ ny mpisorona amin’ ny diloilo izay eo an-tànany ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, eo amin’ ilay nasiana ny ran’ ny fanati-panonerana;

Romans 6:19Miteny araka ny fanaon’ ny olona aho noho ny fahalemen’ ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.

1 Corinthians 1:2mamangy ny fiangonan’ Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’ i Kristy Jesosy, olona voantso sady masìna, mbamin’ izay rehetra miantso ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin’ ny tany rehetra, dia azy sy antsika:

1 Corinthians 6:20Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’ Andriamanitra amin’ ny tenanareo.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Levitikosy 8:23

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Levitikosy 8:22Bokin'ny Levitikosy 8Bokin'ny Levitikosy 8:24 →