bible.software › Bokin'ny Levitikosy › Bokin'ny Levitikosy 8 › Bokin'ny Levitikosy 8:27
Bokin'ny Levitikosy 8:27
Dia napetrany teo amin’ ny tànan’ i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he put all upon Aaron’s hands, and upon his sons’ hands, and waved them for a wave offering before the LORD.
In Context
26Ary ilay harona nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan’ i Jehovah, dia nangalany iray tamin’ ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin’ ny mofo voaisy diloilo ary iray tamin’ ny mofo manify ka napetrany teo ambonin’ ny saborany sy ny sorok’ ondry ankavanana.
28Dia nalain’ i Mosesy tamin’ ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara niaraka tamin’ ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 8
Cross References
Leviticus 7:30Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ny saborany mbamin’ ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
Jeremiah 30:21Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'ny Levitikosy 8:27