bible.software › Bokin'ny Levitikosy › Bokin'ny Levitikosy 8 › Bokin'ny Levitikosy 8:29
Bokin'ny Levitikosy 8:29
Dia nalain’ i Mosesy koa ny tratran’ ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; anjaran’ i Mosesy avy amin’ ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Moses took the breast, and waved it for a wave offering before the LORD: for of the ram of consecration it was Moses’ part; as the LORD commanded Moses.
In Context
28Dia nalain’ i Mosesy tamin’ ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara niaraka tamin’ ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
30Ary nangalan’ i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin’ ny alitara ka nafafiny tamin’ i Arona sy tamin’ ny fitafiany ary tamin’ ny zanany sy tamin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia nanamasina an’ i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa Izy.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 8
Cross References
Leviticus 7:30Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ny saborany mbamin’ ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
1 Corinthians 10:31Koa amin’ izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra izany rehetra izany.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'ny Levitikosy 8:29