The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Levitikosy › Bokin'ny Levitikosy 8 › Bokin'ny Levitikosy 8:30

Bokin'ny Levitikosy 8:30

Ary nangalan’ i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin’ ny alitara ka nafafiny tamin’ i Arona sy tamin’ ny fitafiany ary tamin’ ny zanany sy tamin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia nanamasina an’ i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa Izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And Moses took of the anointing oil, and of the blood which was upon the altar, and sprinkled it upon Aaron, and upon his garments, and upon his sons, and upon his sons’ garments with him; and sanctified Aaron, and his garments, and his sons, and his sons’ garments with him.

In Context

29Dia nalain’ i Mosesy koa ny tratran’ ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; anjaran’ i Mosesy avy amin’ ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy.

31Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ ny mofo izay eo amin’ ny haron’ ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy.

Read all of Bokin'ny Levitikosy 8

Cross References

Exodus 29:21Ary analao ny rà, izay eo ambonin’ ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin’ i Arona sy amin’ ny fitafiany, ary amin’ ny zanany sy amin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia ho masìna izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa.

Leviticus 7:35Izany no anjaran’ i Arona sy ny zanany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, amin’ ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an’ i Jehovah,

Leviticus 10:3Dia hoy Mosesy tamin’ i Arona: Izany dia ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Amin’ izay akaiky Ahy no hisehoako ho masìna, ary eo anatrehan’ ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.

Isaiah 61:1Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,

Galatians 5:22Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,

1 Peter 1:2araka ny fahalalana rahateo, izay an’ Andriamanitra Ray, amin’ ny fanamasinan’ ny Fanahy, ho amin’ ny fanarahana sy ny famafazan’ ny ran’ i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Levitikosy 8:30

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Levitikosy 8:29Bokin'ny Levitikosy 8Bokin'ny Levitikosy 8:31 →