Bokin'ny Levitikosy 8:31
Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ ny mofo izay eo amin’ ny haron’ ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
32Ary izay sisa amin’ ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin’ ny afo.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 8
Cross References
Leviticus 10:17Nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ ny fitoerana masìna ny fanatitra noho ny ota? fa masìna dia masìna izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah.
1 Samuel 2:13Ary izao no fanaon’ ny mpisorona tamin’ ny olona: Raha nisy olona namono zavatra hatao fanatitra, dia avy ny zatovon’ ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tànany, raha mbola nahandroina ny hena,
John 6:33Fa ny mofon’ Andriamanitra dia Ilay midìna avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’ izao tontolo izao.
John 6:51Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’ izao tontolo izao.
Galatians 2:20Voahombo miaraka amin’ i Kristy amin’ ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ ny nofo dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.