Bokin'ny Levitikosy 8:4
Ary Mosesy nanao araka izay nandidian’ i Jehovah azy; dia vory teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny fiangonana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Ary vorio ny fiangonana rehetra ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
5Ary hoy Mosesy tamin’ ny fiangonana: Izao atao izao no raharaha izay nandidian’ i Jehovah.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 8
Cross References
Exodus 39:5Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Exodus 39:21Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan’ ny saron-tratra tamin’ ny vava volan’ ny efoda, mba ho eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Exodus 39:29Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Exodus 39:42Araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy, dia toy izany no nanaovan’ ny Zanak’ Isiraely ny asa rehetra.
Leviticus 8:13Ary dia nentin’ i Mosesy nanatona koa ny zanak’ i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Leviticus 8:29Dia nalain’ i Mosesy koa ny tratran’ ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; anjaran’ i Mosesy avy amin’ ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy.