Bokin'ny Levitikosy 8:7
Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin’ ny efoda taminy izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary Arona sy ny zanany dia nentin’ i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin’ ny rano.
8Ary ny saron-tratra dia nataony taminy, ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima.
Read all of Bokin'ny Levitikosy 8
Cross References
Exodus 28:4Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao izy, sy ho an’ ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
Exodus 39:1Ary tamin’ ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, ary nanao ny fitafiana masìna ho an’ i Arona izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Isaiah 61:10Hifaly dia hifaly amin’ i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
Romans 13:14Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ ny nofo hahatanteraka ny filany.