Bokin'ny Levitikosy 9:4
ary omby sy ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah, ary fanatitra hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan’ i Jehovah aminareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Levitikosy 9
Cross References
Exodus 19:11ary aoka samy hiomana ho amin’ ny andro fahatelo izy; fa amin’ ny andro fahatelo no hidinan’ i Jehovah ho eo imason’ ny olona rehetra eo an-tampon’ ny tendrombohitra Sinay.
Exodus 29:43Ary hihaona amin’ ny Zanak’ Isiraely ao Aho, ka hohamasinin’ ny voninahitro izy.
Leviticus 2:1Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an’ i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.
Leviticus 6:14Amin’ ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Leviticus 9:23Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr’ i Jehovah niseho tamin’ ny olona rehetra.
Numbers 15:3ka manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry aman’ osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin’ ny sitrapo na amin’ ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: