Filazantsara araka an'i Lioka 1:11
Ary nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy teo ankavanan’ ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And there appeared unto him an angel of the Lord standing on the right side of the altar of incense.
In Context
10Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin’ ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.
12Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 1
Cross References
Exodus 37:25Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.
Leviticus 16:13Ary hataony eo amin’ ny afo eo anatrehan’ i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan’ ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin’ ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.
Judges 13:9Ary Andriamanitra nihaino ny feon’ i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin’ Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy.
Luke 1:28Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.
Acts 5:19Fa nisy anjelin’ ny Tompo namoha ny varavaran’ ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe:
Hebrews 1:14Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’ izay handova famonjena?