Filazantsara araka an'i Lioka 1:15
Fa ho lehibe eo anatrehan’ ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masìna hatrany an-kibon-dreniny aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin’ ny hahaterahany.
16Ary maro amin’ ny Zanak’ isiraely no hampodiny amin’ i Jehovah Andriamaniny.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 1
Cross References
Genesis 12:2dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;
Numbers 6:2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an’ i Jehovah,
Joshua 4:14Tamin’ izany andro izany no nanandratan’ i Jehovah an’ i Josoa teo imason’ ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an’ i Mosesy, tamin’ ny andro rehetra niainany.
1 Chronicles 17:8Ary nomba anao tamin’ izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran’ izay lehibe ambonin’ ny tany ianao.
Psalms 22:9Ankino amin’ i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.
Zechariah 9:15Ary Jehovah, Tompon’ ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton’ antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon’ ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron’ ny alitara.