Filazantsara araka an'i Lioka 1:3
dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 1
Cross References
Psalms 50:21Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.
Luke 1:1Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin’ ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa,
Acts 11:4Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin’ ny niandohany ka nanao hoe:
Acts 15:25dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankatỳ aminareo hiaraka amin’ i Barnabasy sy Paoly malalanay,
Acts 23:26Klaodio Lysia miarahaba an’ i Feliksa, mpanapaka tsara indrindra.
Acts 26:25Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin’ ny fahamarinana sy ny fahononana.