Filazantsara araka an'i Lioka 1:32
Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’ i Davida rainy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
31Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
33ary hanjaka amin’ ny taranak’ i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 1
Cross References
2 Samuel 7:16Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.
Isaiah 9:6Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
Jeremiah 23:5Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’ i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ ny tany.
Ezekiel 17:22Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin’ ny rantsana avo indrindra amin’ ny sedera avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron’ ny laingony milenodenoka, ka hamboleko ao amin’ ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany.
Ezekiel 37:24Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany.
Matthew 1:1Ny filazana ny razan’ i Jesosy Kristy, zanak’ i Davida zanak’ i Abrahama.