Filazantsara araka an'i Lioka 1:52
Nampiala ny lehibe tamin’ ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He hath put down the mighty from their seats, and exalted them of low degree.
In Context
53Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 1
Cross References
1 Samuel 2:4Tapaka ny tsipìkan’ ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery.
Job 5:11Ka apetrany amin’ ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin’ ny fahafinaretana ny miory,
Psalms 107:40Mampidina fanamavoana amin’ ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
Ecclesiastes 4:14fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin’ alahelo tamin’ ny fanjakany aza izy.
Amos 9:11Amin’ izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon’ i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,
Luke 18:14Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.