Filazantsara araka an'i Lioka 1:6
Ary samy marina teo anatrehan’ Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ ny Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 1
Cross References
Genesis 6:9Ary izao no tantaran’ i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Noa.
Genesis 17:1Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan’ i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
2 Kings 20:3Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ ny fahamarinana sy tamin’ ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
Job 1:1Nisy lehilahy tany amin’ ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’ Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
Job 9:2Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra?
Luke 16:15Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan’ ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’ Andriamanitra.