Filazantsara araka an'i Lioka 1:68
Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Blessed be the Lord God of Israel; for he hath visited and redeemed his people,
In Context
67Ary dia feno ny Fanahy Masìna Zakaria rainy ka naminany hoe:
69Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin’ ny taranak’ i Davida mpanompony Izy
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 1
Cross References
Genesis 9:26Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.
Exodus 3:16Mandehana, dia angòny ny loholon’ ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ Egypta;
1 Kings 1:48ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako androany, sady hitan’ ny masoko koa izany.
1 Chronicles 29:20Ary hoy Davida tamin’ ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an’ i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah sy ny mpanjaka.
Psalms 72:17Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.
Psalms 111:9Manatitra fanavotana ho an’ ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masìna sy mahatahotra ny anarany.