Filazantsara araka an'i Lioka 1:7
Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 1
Cross References
Genesis 15:2Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon’ ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
Genesis 17:17Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?
Genesis 25:21Ary Isaka nangataka tamin’ i Jehovah ho an’ ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin’ i Jehovah ny fangatahany, dia nanan’ anaka Rebeka vadiny.
Judges 13:2Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin’ ny fokon’ ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.
1 Samuel 1:5Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon’ i Jehovah momba.
2 Kings 4:14Ary hoy Elisa: Fa inona ary no hatao ho anao? Dia namaly Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy?