Filazantsara araka an'i Lioka 1:71
Dia famonjena antsika amin’ ny fahavalontsika, sy amin’ ny tànan’ izay rehetra mankahala antsika;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
That we should be saved from our enemies, and from the hand of all that hate us;
In Context
70(Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masìna hatramin’ ny fahagola),
72Manefa famindram-po amin’ ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masìna,
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 1
Cross References
Deuteronomy 33:29Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’ i Jehovah, Ampingan’ ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.
Psalms 106:10Namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalo.
Isaiah 14:1Fa Jehovah hamindra fo amin’ i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin’ ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak’ i Jakoba ho namany
Isaiah 54:7Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin’ ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao.
Jeremiah 30:9Fa ianao hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao sy Davida Mpanjakanao, Izay hatsangako ho anao.
Ezekiel 28:26Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy amin’ ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.