Filazantsara araka an'i Lioka 1:75
Amin’ ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ ny andro rehetra hiainantsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In holiness and righteousness before him, all the days of our life.
In Context
74Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin’ ny fahavalontsika isika,
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 1
Cross References
Deuteronomy 6:2mba hatahoranao an’ i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin’ ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
Jeremiah 31:33Fa izao no fanekena havoko amin’ ny taranak’ Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
Ezekiel 36:24Fa halaiko avy any amin’ ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin’ ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin’ ny taninareo.
Ephesians 1:4araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, mba ho masìna sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,
Ephesians 4:24ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’ Andriamanitra amin’ ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
1 Thessalonians 4:7Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ ny fahalotoana, fa amin’ ny fahamasinana.