Filazantsara araka an'i Lioka 1:79
Hamirapiratra amin’ izay mipetraka ao amin’ ny maizina sy ao amin’ ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin’ ny lalam-piadanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 1
Cross References
Job 10:22Ho any amin’ ny tany maizim-pito, dia ny an’ ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
Psalms 25:8Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
Psalms 44:19Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin’ ny lalanao ny dianay.
Psalms 107:10Izay nipetraka tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy,
Proverbs 3:17Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
Isaiah 9:2Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ ny fararano, ary tahaka ny fifalin’ ny olona, raha mizara babo.