Filazantsara araka an'i Lioka 10:19
Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an’ i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 10
Cross References
2 Chronicles 10:11koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan’ ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
Isaiah 11:8Ny zaza minono hilalao amin’ ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin’ ny lavaky ny menarana.
Mark 16:18handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ ny marary izy, dia ho sitrana ireny.
Luke 21:17Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
Romans 8:31Inona ary no holazaintsika ny amin’ izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Hebrews 13:5Aoka tsy ho amin’ ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin’ izay anananareo; fa hoy Izy: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”.