Filazantsara araka an'i Lioka 10:22
Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 10
Cross References
Matthew 28:18Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
John 3:35Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.
John 6:44Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.
John 13:3sady fantatr’ i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany,
John 17:5Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ ny tenanao, dia amin’ ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.
John 17:26Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.