Filazantsara araka an'i Lioka 10:27
Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?
28Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 10
Cross References
Deuteronomy 6:5Ary tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
Deuteronomy 30:6Dia hoforan’ i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ ny taranakao hitiavanao an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.
Matthew 22:37Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.
Mark 12:33Ary ny ho tia Azy amin’ ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
Galatians 5:13Fa efa nantsoina ho amin’ ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ ny fitiavana.
James 2:8Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra ianareo, araka ny Soratra Masìna hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”, dia manao tsara ianareo.