Filazantsara araka an'i Lioka 10:33
Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
32Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 10
Cross References
1 Kings 8:50eny, mamelà ny heloky ny olonao izay nanota taminao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ary ataovy mahazo famindram-po amin’ izay mamabo azy izy, dia ny hamindran’ ireo fo aminy;
Jeremiah 38:7Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin’ ny tranon’ ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an’ i Jeremia tao amin’ ny lavaka (nipetraka teo amin’ ny vavahadin’ ny Benjamina ny mpanjaka androtr’ iny),
Matthew 10:5Ireo roa ambin’ ny folo lahy ireo dia nirahin’ i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin’ ny lalan’ ny jentilisa, ary aza miakatra amin’ izay tanànan’ ny Samaritana,
Luke 7:13Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.
Luke 17:16sady niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.
John 8:48Dia namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Hianao sady manana demonia?