Filazantsara araka an'i Lioka 10:34
Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin’ ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 10
Cross References
Exodus 4:24Ary nony tany an-dalana tao amin’ ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.
Psalms 147:3Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
Proverbs 25:21Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
Matthew 5:43Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao.
Luke 2:7Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.
1 Thessalonians 5:15Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ ny namanareo na amin’ ny olona rehetra.