Filazantsara araka an'i Lioka 10:4
Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Carry neither purse, nor scrip, nor shoes: and salute no man by the way.
In Context
3Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak’ ondry eo ampovoan’ ny amboadia.
5Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ ity trano ity.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 10
Cross References
Genesis 24:56Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin’ ny tompoko.
2 Kings 4:24Ary ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin’ ny zatovony: Ampandehano, izy ka mizora; aza miahotrahotra akory amin’ ny fampandehananao azy, raha tsy ampijanoniko ianao.
Proverbs 4:25Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
Mark 6:8Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin’ ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin’ ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.
Luke 9:59Ary hoy Izy tamin’ ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
Luke 22:35Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.