Filazantsara araka an'i Lioka 10:42
nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
41Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao;
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 10
Cross References
Deuteronomy 30:19Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
Joshua 24:22Dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Vavolombelona ho an’ ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an’ i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay.
Psalms 17:15Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin’ ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
Psalms 73:25Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin’ ny tany iriko tahaka Anao.
Psalms 119:111Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian’ ny foko izany.
Psalms 142:5Jereo eo ankavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko.