Filazantsara araka an'i Lioka 11:34
Ny masonao no jiron’ ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
35Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 11
Cross References
2 Kings 6:15Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon’ ny lehilahin’ Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?
Psalms 119:18Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin’ ny lalànao.
Isaiah 6:10Ataovy adala ny fon’ ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.
Isaiah 42:19Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizan’ i Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony?
Jeremiah 5:21Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso, fa tsy mahita, ary manan-tsofina, fa tsy mandre:
Mark 4:12mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony.