Filazantsara araka an'i Lioka 11:36
Ary amin’ izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
35Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 11
Cross References
Psalms 119:97Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
Proverbs 2:1Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
Proverbs 6:23Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan’ aina ny anatra famaizana,
Isaiah 8:20Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina.
Hosea 6:3Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an’ i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny tany.
Matthew 13:52Dia hoy Izy taminy: Koa amin’ izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin’ ny fanjakan’ ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin’ ny firaketany zava-baovao sy ela.