Filazantsara araka an'i Lioka 12:15
Ary hoy Izy tamin’ ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ ny fieremana ianareo; fa ny ain’ ny olona tsy miankina amin’ ny habetsahan’ ny zavatra ananany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 12
Cross References
Joshua 7:21Nahita kapôty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin’ ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, voàfina ao ambanin’ ny tany ao amin’ ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny.
Job 2:4Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin’ ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ ny olona dia homeny ho-fefin’ ny ainy.
Psalms 10:3Ny ratsy fanahy mandoka izay irin’ ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an’ i Jehovah.
Psalms 62:10Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin’ ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.
Proverbs 15:16Aleo ny kely misy ny fahatahorana an’ i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
Proverbs 23:4Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin’ izany ny fahendrenao.