Filazantsara araka an'i Lioka 12:20
Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’ iza izay zavatra noharinao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 12
Cross References
Exodus 16:9Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Lazao amin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hoe: Manatòna eo anatrehan’ i Jehovah; fa efa reny ny fimonomononanareo.
2 Samuel 13:28Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’ i Amnona azon’ ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
Esther 5:11Ary nambaran’ i Hamana tamin’ ireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan’ ny zanany mbamin’ Izay voninahitra rehetra nomen’ ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanompon’ ny mpanjaka.
Job 20:20Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin’ ny tiany indrindra izy.
Job 27:16Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
Psalms 49:17Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;