Filazantsara araka an'i Lioka 12:28
Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin’ Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
29Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 12
Cross References
Matthew 6:30Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin’ Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana?
Matthew 14:31Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’ izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?
Matthew 17:17Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.
Luke 8:25Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!