Filazantsara araka an'i Lioka 12:30
Fa ny jentilisa amin’ izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
29Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana.
31Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 12
Cross References
Matthew 6:1Tandremo mba tsy hanao ny asan’ ny fahamarinanareo eo imason’ ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin’ ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.
Matthew 6:32Fa izany rehetra izany dia katsahin’ ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.
Matthew 18:14Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin’ ireny madinika ireny.
John 20:17Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’ Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
1 Thessalonians 4:5tsy amin’ ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’ Andriamanitra,