Filazantsara araka an'i Lioka 12:50
Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But I have a baptism to be baptized with; and how am I straitened till it be accomplished!
In Context
49Tonga hanipy afo etỳ ambonin’ ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan’ izany sahady?
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 12
Cross References
Psalms 40:8Dia hoy izaho: inty aho tonga ao amin’ ny horonam-boky no nanoratana ahy.
Mark 10:32Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin’ ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
John 7:6Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.
John 10:39Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy Izy.
John 18:11Dia hoy Jesosy tamin’ i Petera: Ampidiro amin’ ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen’ ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?
Acts 20:22Ary ankehitriny, indro, terỳ am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any,