Filazantsara araka an'i Lioka 12:58
Fa raha miara-mandeha amin’ ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin’ ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin’ ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
57Nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marina?
59Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 12
Cross References
Genesis 32:3Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo: Tobin’ Andriamanitra ity; ary ny anaran’ izany tany izany nataony hoe Mahanaima.
Job 22:21Mifankazara amin’ ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan’ ny soa aminao.
Job 36:17Nefa raha fatra-pikikitra amin’ ny adin’ ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana;
Psalms 50:22Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an’ Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy.
Proverbs 25:8Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin’ ny farany, Rehefa omen’ ny namanao henatra ianao.
Matthew 5:23Ary amin’ izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,