Filazantsara araka an'i Lioka 12:8
Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia heken’ ny Zanak’ olona kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 12
Cross References
1 Samuel 2:30Koa izany no anaovan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
Matthew 10:32Ary amin’ izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ ny Raiko Izay any an-danitra.
Luke 15:10Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka.
2 Timothy 2:12raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;
Jude 1:24Ary ho an’ izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ ny voninahiny amin’ ny firavoravoana,
Revelation 2:13Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ ny itoeran’ ny seza fiandrianan’ i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ ny andron’ i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’ izay onenan’ i Satana.