Filazantsara araka an'i Lioka 14:3
Ary Jesosy namaly ka nanao tamin’ ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata, sa tsia?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany.
4Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 14
Cross References
Matthew 12:2Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin’ ny Sabata.
Matthew 22:35Ary ny anankiray tamin’ ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:
Luke 6:9Ary hoy Jesosy tamin’ ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin’ ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina?
Luke 13:14Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin’ ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin’ ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin’ izany, fa tsy amin’ ny andro Sabata.