Filazantsara araka an'i Lioka 15:18
Hiainga aho, dia hody any amin’ ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ ny lanitra sy teo anatrehanao aho
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 15
Cross References
1 Kings 8:47ary mahatsiaro any amin’ ny tanin’ ireo namabo azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona aminao any amin’ ny tany izay nitondrany azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy.
2 Kings 7:3Ary nisy boka efa-dahy teo anoloan’ ny vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika foana eto mandra-pahafatintsika?
2 Chronicles 33:19Ary koa, ny vavaka nataony sy ny naneken’ Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin’ ny fitoerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin’ ny tenin’ i Hozay izany.
Job 36:8Ary raha voafatotra amin’ ny gadra izy sy voafehy amin’ ny tadin’ ny fahoriana.
Psalms 32:3Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva,
Psalms 116:3Nihodidina tamiko ny famatoran’ ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian’ ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho.