Filazantsara araka an'i Lioka 15:28
Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he was angry, and would not go in: therefore came his father out, and intreated him.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 15
Cross References
1 Samuel 17:28Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin’ ny olona dia nirehitra tamin’ i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midìna etỳ? Ary amin’ iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian’ ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
Isaiah 65:5Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masìna, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
Jeremiah 35:16Eny, nankatoavin’ ny zanak’ i Jonadaba, zanak’ i Rekaba, ny hafa-drazany, izay nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa tsy mba nihaino Ahy.
Jonah 4:9Fa hoy Andriamanitra tamin’ i Jona: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny amin’ ny tanantanamanga izao? Ary hoy izy: Mety ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza.
Luke 5:30Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin’ ny mpianatr’ i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota?
Luke 13:34Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo!