Filazantsara araka an'i Lioka 15:5
ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And when he hath found it, he layeth it on his shoulders, rejoicing.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 15
Cross References
Isaiah 40:10Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin’ asa homeny dia eo anoloany.
Isaiah 53:10Nefa sitrak’ i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’ i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.
Isaiah 62:12Ary Ireny hotononina hoe Firenena masìna, dia olona navotan’ i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.
Jeremiah 32:41Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin’ ity tany ity tokoa amin’ ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra.
Ezekiel 33:11Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ ny ratsy fanahy amin’ ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak’ Isiraely?
Micah 7:18Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ ny sisa amin’ ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.