Filazantsara araka an'i Lioka 15:6
ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy;
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 15
Cross References
Isaiah 66:10Miaraha mifaly amin’ i Jerosalema, Ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy; Aoka hiara-mifaly aminy tokoa Hianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy,
Luke 15:7Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.
Luke 15:24fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.
John 15:14Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.
Acts 15:3Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an’ i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan’ ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
Philippians 2:17Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ ny fanatitra ny fisoronan’ ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.