Filazantsara araka an'i Lioka 16:15
Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan’ ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an’ i Jesosy.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 16
Cross References
1 Chronicles 29:17Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin’ ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin’ ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
Psalms 7:9Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
Psalms 49:13Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.
Psalms 139:1Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.
Proverbs 20:6Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
Isaiah 1:10Mandrenesa ny tenin’ i Jehovah, ry mpitsaran’ i Sodoma; Mihainoa ny lalàn’ Andriamanitsika, ry vahoakan’ i Gomora.