Filazantsara araka an'i Lioka 16:19
Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan’ andro tamin’ ny fahafinaretana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ ny vavahadiny;
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 16
Cross References
Esther 8:15Ary tamin’ ny nialan’ i Mordekay teo anatrehan’ ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.
Psalms 73:3Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ ny ratsy fanahy.
Isaiah 3:23Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana;
Ezekiel 16:49Indro, izao no helok’ i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin’ ny zananivavy, ary tsy mba nitantana ny malahelo sy ny mahantra izy.
Amos 6:4Dia ireo izay mandrimandry ao amin’ ny farafara ivoriny sy mitsilailay eo amin’ ny fandriandriany ary homana ny zanak’ ondry avy amin’ ny andian’ ny ondry sy ny zanak’ omby avy ao am-pahitra,
Mark 15:20Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin’ ny hazo fijaliana Izy.