Filazantsara araka an'i Lioka 16:20
Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ ny vavahadiny;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And there was a certain beggar named Lazarus, which was laid at his gate, full of sores,
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 16
Cross References
Job 2:7Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan’ i Jehovah ka namely vay ratsy an’ i Joba hatramin’ ny faladiany ka hatramin’ ny tampon-dohany.
Psalms 73:14Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.
Jeremiah 8:22Moa tsy misy balsama va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any? Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy?
Luke 18:35Ary raha Jesosy nanakaiky an’ i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
Acts 3:2Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan’ andro teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’ izay niditra teo an-kianjan’ ny tempoly;
James 2:5Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin’ Andriamanitra va ny malahelo amin’ izao fiainana izao ho mpanankarena amin’ ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?