Filazantsara araka an'i Lioka 16:26
Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 16
Cross References
Psalms 49:14Izany no falehan’ ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny. [Sela.]
Ezekiel 28:24Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an’ ny taranak’ Isiraely, avy amin’ ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
Matthew 25:46Ary ireo dia hiala ho any amin’ ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ ny fiainana mandrakizay.
John 3:36Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’ Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
James 1:11Fa miposaka ny masoandro mbamin’ ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon’ ny manan-karena amin’ ny alehany.
Revelation 20:10Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin’ alina mandrakizay mandrakizay ireo.