Filazantsara araka an'i Lioka 16:8
Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak’ izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin’ ny karazany noho ny zanaky ny mazava.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 16
Cross References
Exodus 1:10andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin’ ny tany.
2 Kings 10:19Koa ankehitriny vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin’ i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an’ i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny mpanompon’ i Bala.
Psalms 49:10Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin’ ny lavaka.
Proverbs 12:8Araka ny fahendren’ ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
Luke 16:4Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin’ ny fitandremana ny fananana aho.
Luke 18:6Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain’ ilay mpitsara tsy marina.